Govern-Imahakà !

Angano angano, arira arira ! Ikotofetsy sy Imahaka ankehitriny no resahana eto.

Ao anatin’ny krizy tanteraka ny Govenemanta Vital. « Malemy daholo na ny Fanjakana na ny mpanohitra » hoy i Gilbert Raharizatovo tamin’ny fandaharana nataony tamina fahitalavitra tsy miankina iray. « Tsy misy lalana hivoahana amin’ny Krizy afa-tsy ny fifampiraharahana ihany » hoy ity ministra Fat ity. Ny nahagaga tamin’ny resaka nataony aza dia ny hoe : « tokony ho nekena ny sonia natao » raha niresaka ilay fifanarahana natao tany Maputo izy. Manome tsiny an’i Andry Rajoelina ve izany ity Ministra ity ? Tsy mahagaga izany satria rehefa ho rendrika ny sambo dia misababaka daholo ry « Imahaka » rehetra. Tsy izy ihany fa naneno sahona koa ny ny Ministry ny Fampianarana ambony omaly, « tsy tokony hiditra aty amin’ny faritry ny Oniversité ny mpitandro ny filaminana mba hanajana ny « franchise université », inona no hataon’ny miaramila aty ? tsy misy takalon’aina izany aty ». Nanome tsiny ny tompon’andraikitry ny Filaminana izy, izay tsy iza fa ny Ministra miaraka aminy ihany. Mazava ho azy fa tsy voahaja ny firaisankina eo anivon’ny governemanta « unité gouvernementale ». Fahita hatrizay, n’inona n’inona fanampahankevitra raisin’ny governemanta dia tokony hiraisan’ny mpikambana ao amin’ny governemanta rehetra ny fanampahankevitra, na tsy mitovy loko politika aza. Tranga hafa tsy fahita ity, asa na efa mitsinjo ny « varavarana ivoahana » sahady ity Ministra ity, sa mba té haneho amin’ireo mpampianatra sy mpampianatra mpikaroka ary ny mpianatry ny anjery manontolo hoe : « akaiky anareo aho » koa aza mitokonana re !

« Ady bokotra sy galona »

Fa mbola tsy miravona ihany hatreto ny raharahan’ Ikotofetsy vao nosalorana galona Jeneraly, sy Imahaka nalana tamin’ny sezam-boninahitrany. Fetsy e! noesorina ilay ambony galona mba hiakaran’ny tena amin’ny bokotra ambonimbony kokoa. Tsy mety hiala ihany koa Imahaka fa be manamboninahitra sy namana mpanohana. Dia hifampitsapa hery indray izany izy mirahalahy ireto, ny hitan’ny mpanara-baovao aza dia efa misy mivonona amina tafondro mihitsy !

Tsy mahagaga aloha raha « Ikoto » sy « Imahaka » daholo ny mpanao politika Malagasy satria izay no namolavolaina ny sainy tamin’ny nitazana azy e ! « angady mondro sy reny akoho ka izay manadà no resy » (be sanda na lafo vidy). Hifanambaka ary ve ry Zalahy ireto? ny hoavy no hamaritra izany ! ny atahorana amin’ity dia mandalo ra-Mahaka dia ….




PS : Tadidinao koa ve ity lahatsoratra ity ?
PS : Vous souvenez vous aussi de cet article ?



Vakio koa ity / Lisez aussi ceci

  1. Tsy milamina ny eto Madagasikara
  2. Miady an-trano ny FAT
  3. Société civile demande des comptes !
  4. Lasa ny Jeneraly, misosoka ny Colonely
  5. Fanambaran’ny mpitsabo – Mitaky zo izao dia izao

Facebook comments:

36 Comments

  • Menalamba dit :

    Ataovy Afo nandoro ny Lambanao Ramalagasy ity Fohy Saina mora ambakaindr’Imahaka!

    Nitady Fiovana ianao ka dia tsy handatsa aho fa io izy io, Zakao!

    Nitady Fahafahana ianao Fa toa hoe Mpanao Didikofehy Lehibe ilay Taloha ka Hiaino ny fahafahanao miaraka amin’ireo Gadralava rehetra novotsorana ireo.

    Nitady ny Tsaratsara kokoa hono Ianao ka asa raha izaho no Pahana fa toa miharatsy otran’ny Alika nampandroan ity izy.

    Mahareta fa hanana an’Ikotofetsy e!

  • Babyfoot dit :

    Pas étonnant car « C’est écrit » dit la chanson de CABREL. A force de trop tirer sur la ficelle, DJ ne tiendra pas face à ces militaires affamés et en quette des barettes. Le moindre refus de sa part lui sera fatal. Pourvu qu’il garde ses dents en souvenir d’un coup d’état raté.

  • sadic dit :

    angano angano arira arira!!
    mahay mitantara angano kosa Mydago,tena manala andro mintsy,ary tena libre koa ny saofera livirera ao lafrantsa ao fa tena mameno tranokala andro aman’alina, efa ho tapitra ny angano fa hiverina amin’ny zava-misy amin’izay e, tsy hisy ady akory eto Madagasikara, hiroso ny fifidianana, de hifarana amin’ity taona ity ny tetezamita, hoteraka ny repoblika fahaefatra, ho tohizana ny fitakiana ny volam-panjakana nahodin’i Ra8 any amin’ny TIKO SY MAGRO.

  • Voarayincapable dit :

    Ny mamo indray ity no miantso Pôlisy marina mafy. Loza izany !!!!!!!!!!

  • Kristelle dit :

    nisy ony zany Rangahy nmpiteryu ronono izany dia nametsifetsy hono dia nanankarena hono dia nanongam-panjakana,avye eo ony zany dia nanambanimbany sy nagalatra tamin’ny madinika dia nisy ony zany zaza lahy tanora kely izany nanavotra an’ilay Nosy dia nitsoaka zany ilay rangahy be,angano angano arira arira tsy za mandainga fa olo maventy taloha koa tsy marigna

  • midozara dit :

    ni tena mahagaga anie de ny foza orana efa tsy misy atao afatsy ny mangalatra sy manabe sandry @ basy eran’i Gasikara nefa mbola Ra 8 ihany no enjehina. tandremo fa ny mpanenjika tsy maintsy any aoriana fôna ahh. tsy angano ty fa fomba fiteny

  • HoAiza dit :

    Ary toa manao zavatra vinany koa ity Monja ? Tany amboalohany aza moa tadidy tsara fa tsy hainy akory ny manodidina ny balance commercial.
    - Dia mbola vendrana foana, mamerimberina fa légitime io FATy io, nefa magouilles politiques tsy mbola nisy hatr’izay
    - Milaza ihany koa fa io no Transition, anefa grande différence « HAT ». Ho anareo mpiasa ao @ TV Plus koa dia aza mamorona raha filazam-baovao ihany.
    - Mandainga ihany koa ireto Thaïlandais milaza fa efa nifanao sonia teny anivon’ireo ministère, anefa tsy nisy akory. Soa fa TSY nahita an’ilay PDS n’Antananarivo fa (frantsay taratasy be)!
    Izao ny tanàna rahefa à ZERO Etat de Droit: tsy thaïlandais, tsy karana, tsy comoriens (mamoaka ID sandoka ny any Antsiranana, ….
    Fa dia lalim-paka tokoa ny fanapotehana nataonareo ra-Frantsay! Anefa ihany koa asakasak’izay marivo salosana, Vendrana, mpanara-dreniraro, matim-bola, matim-boninahitra… Aleo tsy tohizana amin’ny V toko-telo maha-kila-firehitra ny Firenena.
    Ary hanao ahoana moa raha I Zafera, manana poids népotique be ao @ HAT no sady manao an’i Andry ho tompony, no novolavolain-dra Vital ho eo?

  • nina dit :

    Efa miteny aho hoe ady antrano no irian’ny frantsay ataontsika mba hahafahany miditra dia io fa tanteraka ka raha hoe Hanavotra an’i Madagasikara i Andry dia maivandoha i Christelle mety mitapina zezik’omby ny masonao moa mila esorina ny taipoza orana @ sofinao fa raha izao ataon’i andry sy ny hat izao no atao hoe Mi -sauver ny Malagasy sy ny firenenao dia tsy misalasala aho mampina-,,,ay anao désolé
    mitezera ianao fa tsy maninona dia andan mileleka ny vodimbazaha ve ireo ny anareo sy ny hat ianao ry Kristelle tena mpamosavy ianao
    LA FRANCE EST ENTRAIN DE FOUTRE DES BORDELS IRREPARABLE A MADAGASIKA

  • LAZALAZAO dit :

    Sadic,
    Mba asehoy anay hoe ny tena fijoronao. Mangalatra i Ravalomanana e…. sy ny fanakianana be dia be ataonao an’ialay olona Marc Ravalomanana. Ary mampiseho ny tena hoe iza tokoa moa ianao @ izany fijery izany. Mangalatra i Ravalomanana dis tsy tinao ? Izany hoe tsy tinao ny mpangalatra ? Sa tsy tinao i Ravalomanana ?
    Fantatro ny valiny.. fa ity ny fanotaniana manaraka.

    Nandritra ny 64 taona dia nagalarin’ny frantsay izay rehetra zakany teto Madagasikara, ny vokatry ny tany, ny harena an-kibon-tany, ny hery enti-miasa (main d’ouvre), ny malagasy ananampy ny frantsay t@ ady lehibe. Ary diniho tsara fa lava ny fotoana ary betsaka ny zavatra lasa, mbola novonoiny sy nohambaniana ny gasy ary ny kolontsaina Malagasy natao hoe « barbarie » fa ny an’ny vazaha natao hoe « civilisation ».

    Lazao mazava eto hoe toherinao ve ny frantsay t@ izany ? Ary @ izao fanjanahatany @ endriny vaovao izao ?

    Voamariko mantsy fa tsy mampaninona anao izao fitotongan’ny firenena Malagasy izao , ny hari-karena dia 0,5%, ny olona dia nisy ny maty , naratra, voasambotra, very asa, hampihorohoroana, ny fampiasana ny fitsarana ho fitaovana politika, ny tsy fisian’ny fandriampahalemana…

    Tsy misy mahatohina anao ireny.Na ianao tsara aro, ka dia mba lazao aminay ny antony, na ianao lavitry ny krizy, ka dia tsy midona aminao ny tena fahoriana.
    Fanotaniana farany. pierrot rajaonarivelo sy monja roindefo inona eo imasonao ? Mba velabelaro ny hevitrao raha azo atao.

  • Kristelle dit :

    pierrot Rajaponarivelo aloha tia Tanindrazana e! fa iMOnja tsy dia fantatro loatra izao manko tsy manana hevitra betska fa ho avy eo zokilahy Sadic amaly anao fa dia aza moratezitra fa hevitra no miady

  • GBD dit :

    pierrot rajaonarivelo tia tanindrazana ???????,
    ôodray , ry nadia/kristelle tsy « déclaration publique » ve izany fa tena zanak’i Ratsiraka ianao ?????????

  • sadic dit :

    LAZALAZAO!!
    valin’ny fanontaniana voalohany de tsy tiako ny mpangalatra, satria i ra8 mpangalatra de tsy tiako arak’izany.mikasika fanontaniana faharoa(frantsay) dia efa nanome valinteny mikasika an’io aho fa tsy mety voarainareo, ny vazaha raha manao izay hampahantra ny gasy de mbola comprehensible satria ny frantsay dia investisseur hoatran’ny rehetra mitady maximum de profit, fa le mpitondra gasy mihintsy no mi-favoriser le fahantran’ny gasy(io no tena déplorable),jereo le rapport nataon’ny USA mikasika fuites ENORMES des capitaux depuis Madagascar iny, fa nanomboka tamin’ny 2002 hatramin’ny 2008 no be indrindra, satria teo no nahazo financement be indrindra, raha tsy nivoaka reny devise-n’ny fanjakana gasy(isan-taona io fivoahany i0) reny de efa lasa ambony be ny economie madagascar(betsaka ny reserve en devise de miakatra valeur vola gasy,sady betsaka koa foto-drafitrasa vita), jereo fa tamin’ny andron’ny dadanareo no tena nitsingevana ny valeur vola gasy(fuites des devises),tamin’ny androny ihany koa no nampiakatra ny vidin’ny carburant de io izy tsy mety midina intsony io.amin’zao kirizy izao aza no miakatra indray valeur-n’ny vola gasy miohatra amin’ ny nilaozan’ny dadanareo.ka aza ailika any amin’ny frantsay ny hadisoana fa zay no ampidirin’olona ao an-tsainareo.
    mikasika an’ny Monja sy pierrot de mbola azo lazaina fa mbola tsy misy tsininy satria mbola tsy nitondra, fa raha dadanareo de tanana zatra nitsotra. efa avy mitondra indray izy roalahy ireo na fotoana fohy aza vao fantatra ny zava-bitany. zany hoe filoha mihintsy fa tsy PM satria ny PM de baikon’ny filoha de tsy de afa-manoatra, mety zany nahatapak’hevitra an’i Monja hilatsaka filoha io angamba.

  • sadic dit :

    ry GBD moa ve hisy hafa-tsy Ra8 ihany no olona tia tanindrazana, io efa olona voavidin-dRa8 vola io efa manompo tsangan’olona fa tsy manompo tsangan-kevitra, efa hita zao fa voleurs à grande echelle, izy no nampiditra trosa be indrindra ho an’ny vahoaka gasy,sady nampahantra be indrindra ny ankamaroan’ny vahoaka gasy, tsy RAD gasikara iny fa RAD zanak’i dada fotsiny, raha iny mi-insiste miverina eo de tsy maintsy hisy ady be eto Dago.

  • GBD dit :

    sadic
    je confirme que tu n’es pas capable de comprendre grand chose…
    pas à la hauteur pour ce forum,
    ton amalgame puéril à la petite semaine le prouve.
    Dégage , tes élucubrations de bas étage m’intéressent vraiment peu .

  • sadic dit :

    ity ny santionany ny vola avoakan’ny olona arovanareo ry LAZALAZAO : »Le dernier rapport de l’organisation « Global Financial Integrity – Washington » indique le montant des fuites de capitaux depuis Madagascar. En 2006 : 1758.5 millions de dollars, en 2007 : 131.2 millions de dollars, en 2008 : 849.3 millions de dollars » »
    diniho tsara ny montant-n’ireo vola ireo fa ireo le « aides occidentales » angalarina amin’ny vahoaka Malagasy izay le hoe « s’enrichir aux dos de ses populations », mbola ihomehezan’ny vazaha koa ane tsika amin’io. le vola alefa hampandrosoana an’i Madagascar nefa alefan-dry zalahy hampandrosoana ny firenena any ivelany. tsy ny vahoaka gasy mahazo tombony fa vahoaka hafa, nefa vahoaka gasy manefa an’le trosa.

  • sadic dit :

    G.B.G!! tu n’as jamais avancé aucune idée seulement critiquer et insulter, tu devrais être l’un de ces chauffeurs livreurs en france. en fait, ton problème n’est pas un complexe de supériorité c’est plutôt un complexe d’infériorité; c’est maintenant que je m’en rends compte,tes réactions sont tellement si basses. Pauvre minable G.B.D! je te plains vraiment, tu ne devrais pas être bien traité par tes patrons là-bas.

  • GBD dit :

    sadic
    je suis littéralement MDR devant le « grand » reporter de zano, madagate et midi ou express…que tu es :
    YES : M.D.R.
    Je crains qu’il ne soit vraiment trop tard pour refaire ton éducation politique .
    => un conseil gentil , mais sérieux :
    prends des cours du soir.
    => fais surtout attention au ridicule , internet est un monde virtuel…et il ne faut pas faire des suppositions à faire MDR
    je n’arrive même pas à me mettre en colère , tellement je me bidonne !
    Ta naîveté me touche.
    un « grand chroniqueur » ( ???) comme toi doit garder sa crédibilité , voyons…
    Va à la plage , cela te fera du bien.

  • sadic dit :

    G.B.D!!
    en tout cas tu n’es pas à la hauteur de me dispenser des cours ou d’éducation politique, déjà je me félicite d’avoir pu te donner une petite leçon de savoir vivre et de finesse, tu vois que tu commences déjà à converser sans m’insulter. j’ai réussi à passer le message.oui continuez, tu n’es pas si difficile à éduquer après tout, j’espère seulement que tes vieux démons ne prendront le dessus quand je réfuterai tes opinions.

  • sadic dit :

    et quand j’y pense, ton conseil n’est pas si mal, je vais aller à la plage pour respirer un peu une brise humide,la température(climat) est parfaite ici. D’ailleurs Kristelle n’est plus là pour se marrer un peu des zanak’i dada, alors à demain les orphelins velon-dray.

  • Babyfoot dit :

    Hiova speudo, hiova page ry nadiasadika satria tsy mahita havaly intsony dia mody « Ã  demain, bonne nuit » ! Tena Tssssssssssss !!!

    (Oups, ci-dessus, je voulais dire : militaires en quête de barrettes)

  • GBD dit :

    coucou BAB’S
    ils sont « touchants » , n’est ce pas ?
    Dodo à la niche…les dick-dick
    MDR

  • Babyfoot dit :

    Le geste de DJ devant le monument aux morts le 29 mars dernier a fait couler beaucoup d’encres. Faire la paix avec l’ennemi semble porter malheur si on en croit la presse internationale lors du crash de l’avion Présidentiel Polonais survenu ce jour.
    En effet, la délégation tuée dans cette catastrophe aérienne se rendait, il y a quelques temps, dans « la forêt noire » pour commémorer le 70è anniversaire du massacre de 22 000 officiers polonais par la Police de Staline en 1940.
    Ce massacre longtemps imputé aux NAZIS par l’URSS a été pendant des années une pomme de discorde dans les relations entre Varsovie et Moscou.
    Aujourd’hui, les 2 gouvernements sont devenus inséparables et l’ironie du sort : La délégation Plonaise, en allant à Moscou, périt dans la « forêt noire », lieu de la commémoration !!!!
    Simple hasard ou mauvais sort pour avoir fait la paix avec l’ennemi ???
    A méditer !

  • mpitazana dit :

    Il n’y apas de surprise dans le fond de la stratégie de françafrique;nous sommes trop naïfs et trop bêtes de ne pas comprendre .
    Tous ces guignoles au pouvoir ont tous la double nationalité (malgache et française).
    On vire tous les mainty kely susceptible de trouble fête,.
    On octroie un grade de général un retraité et en plus non militaire depuis 3 ans.
    Une qui est médaillée par la france ,a pu contriure une grande maison en peu de temps

  • Ny Aina dit :

    Iangaviana an-tana-droa ny Amiraly Ratsiraka mba tsy haneho hevitra manohitra ny FAT, na hanao politika manohitra ny FAT fa sao miakatra Amiraly eo koa ny gradin’ingahy VITAL. Fomba filaza izany fa mba hafa kely ny fikarana grady ao Mada ao.

  • Alidera A.R. dit :

    sadic,
    Miala tsiny fa tsy dia tiako loatra ny mila zavatra tahaka izao manaraka kanefa tsy maintsy atao.
    Tsy maninona, tsy heloka ny havendranana. Akory atao moa raha izay no nomen’Andriamanitra ny olona sasany. Tsy azo ekena kosa ny minia mamafy lainga.
    Mazava ny tian’ny sasany lazaina momba an’ireo vola navoaka hiala tao Madagasikara ireo.
    Saingy izao, raha nalain-dRavalomanana tokoa ireo vola ireo dia tsy nisy iny fanonganam-panjakana iny.

  • sadic dit :

    iza izany no naka ireo vola ireo ry Alidera satria tsy Ra8 hoy ianao? inona koa hoy ianao antony namoahana ireo vola ireo? marina ihany aloha ny anao raha miteny hoe tsy heloka ny havendrananareo zanak’i dada.

  • Ramalagasy dit :

    hahahaha, mentez mentez, arrivera à quelque chose, hahahahaha

  • Ramalagasy dit :

    VIVE le MDM, VIVE le Federalisme, VIVE le changement, VIVE MADAGASCAR , VIVE le MONDE; zay zany, VIVE NOUS TOUS

  • Rafotsy dit :

    hahahahaha,soyons adultes arretons notre cinéma,ça commence à nous ammerder votre connerie,
    putains,on va vous créer des gros ennuis hahahaahaha,hein,nous sommes plus fort que vous.hahahaaha

  • sadic dit :

    oui, nous sommes plus fort que vous,hahahahaaahhahaaahahahahaaaaaaaaaaaaahhhh!!

  • HoAiza dit :

    Hé,
    toi l’animal
    toujours aussi bêbête et bestial
    Hihihihihi……
    Hahahahaha……

  • Voarayincapable dit :

    Nanao cauchemars angamba ry devoly ka manasa vangy vao maraina eto. Tera-bao koa ilay anankiray !!! Vive les allocs !

  • Voarayimbecile dit :

    Tratran’ny gelideboà i Sadika ka mila manao gararaka tenda amin’ny ranotsira hihihi !!!!!!!

  • Verohanitra dit :

    Ho rava ny fanjakana miady an-trano. Miandry ny hidarabohany sisa dia vita. Hianjera ho azy hoatran’ny voankazo masaka ary dia ho lo eo am-potony ka na ny tompony aza tsy te hihinana intsony.
    Mbola aiza re ? Angaha mihevitra ny ho afa-maina amin’ireto ratsy tsy hay tanisaina natao hatramin’izay ka mandrak’androany ? F’angaha mihevitra fa ny Ray ao ambony dia jamba, sy moana ary marenina ka tsy mahita ny ranomason’ny Malagasy, tsy mandre ny fitarainany ary tsy hafaka ny hanala azy amin’ny jioganareo FATY ?

  • Alidera A.R. dit :

    sadic,
    Azo antoka ve hoe mety nampiasa 2 milliards d’euros ny frantsay tamin’ny fanonganana an-dRavalomanana raha an-dRavalomanana marina tokoa ireo vola ireo?

  • Arivolahy Tsy Maty Indray Andro dit :

    Mba mijereva ange ianaoreo izay manana Facebook mijery an’i Serge Harinala Ranaivo alias DJ Kreesan izay Minisitry ny tanora FATy fa zavatra tsy misy fotony ny ao, ilaina ny mianatra…izany ny mambra ny Governemanta Imahaka

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

*

Vos idées et arguments sont valables.
  • Utilisez avec modération les majuscules pour vos mots entiers. Vous n'en serez que mieux lu(e) et compris(e).
  • Les insultes et grossièretés sont les moyens de ceux qui ne trouvent plus de mots cartésiens et raisonnables.